Fetim-pirenena Frantsay : ilaina ny dinika momba ny Nosy malagasy, hoy ny masoivoho Frantsay

0

Androany faha-14 ny volana jolay ny fetim-pirenena Frantsay. Na eo aza ny Covid-19, nasongadin’ny Masoivohon’i La Frantsa nandritra ny lahateniny ny fanamafisana ny fifampiresahana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa mahakasika ireo Nosy Malagasy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana. Io no handravonana ny tsy fitoviana raha ny fanazavany.