Fetin’ny fahaleovantena : nahatratra 3 409 ireo nanatanteraka ny matso teny amin’ny kianja Barea

0

Tontosa androany tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lanonam-pakalazana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny niforonan’ny folo alindahy Malagasy. Nisy nandritra izany ny fanatanterahina ny Matso lehibe izay nahitana mpandray anjara miisa 3 409 avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny maro hafa. Nampiavaka ny matso tamin’ity taona ity ny fandraisana anjaran’ny avy Polisy monisipalin’Antananarivo sy ny brigade canine avy amin’ny fadintseranana.