Fety silamo « Eid al-fitr  » : nekena ho andro tsy fiasana fa andraisan-karama

0

Araka ny tapaka tamin’ny filan-kevitry ny governemanta tamin’ny fiandohan’ny taona teo natao ho andro tsy fiasana ho an’ny rehetra nefa andraisan-karama ny andro fankalazana ny Eid al-fitr izay ankalazain’ny finoana silamo. Fety lehibe ankalazain’ny mpino silamo aorian’ny fotoan’ny Ramadan iray volana hamehezan-tena.