FFKM : vitan’ny malagasy ny mifandamina, tsy baikon’ny vondrona iraisam-pirenena

0

Hiditra an-tsehatra amin’ny fanelanelanana ny toe-draharaha misy eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM. Tsy misy ny tsindry avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena na antoko politika izao fidirana an-tsehatry ny FFKM izao.