Fiakaran’ny vidim-piainana : mila vahaolana haingana

0

Tsy azo odian-tsy hita ary tsy azo ihodivirana intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara raha ny fanazavan’ny mpaay toekarena iray. Antony, tsy mamokatra i Madagasikara fa mampitombo hatrany ny fanafarana entana, eo ihany koa ny fikorontanana nateraky ny fanontana vola vaovao fa indrindra ny tsy fisian’ny fanarahamaso eny ifotony. Tsy nisy nahomby hatreto ny vahaolana fohy ezaka napetraky ny fanjakana.