Fiantohana : ny CSBF no hisahana ny fanaraha-maso izany eto Madagasikara

0

Tontosa androany ny famindram-pitantanana ny andraikitra mikasika ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana eo amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola ho any amin’ny Commission de la Supervision Bancaire et Financière na ny CSBF eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara . Tanjona raha ny fanazavana ny hanatsarana ity sehatra ity, eo ihany koa ny hampitomboana ny fiatraikan’ny Assurance amin’ny arikarena faobe.