FIDA : mitaky vokatra bebe kokoa eto Madagasikara

0

Taorian’ny atrik’asa nasionaly hanaovana jery todika ny asa vita sy izay mbola hatrehina, nanamafy ny eo anivon’ny FIDA na ny Fonds International du Développement Agricole eto Madagasikara fa mbola maro ny ezaka tsy maintsy hatao. Isan’izany ny fijerena manokana ireo tena marefo, ny fahafahan’ireo tantsaha misitraka famatsiam-bola ary indrindra ny fanamafisana ny fahaiza-manao hampaharitra ny asa natao.