Fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa : hisitraka « Plateforme numérique » ny mpianatra Malagasy

0

Mitohy ny fanohanan’ny fanjakana Frantsay ny mpianatra Malagasy. Ankoatran’ny fanatsarana ny fampianarana amin’ny ankapobeny, tetikasa hanamorana ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa indray androany no nanaovan’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena, ny masoivoho Frantsay sy ny ACCESMAD fifanaovantsoniam-piarahamiasa.