Fifidianana 2018: Mila lalàmpifidianana eken’ny rehetra.

0

Tokony foanana ny lalàmpifidianana lany teo ary haverina hodinihin’ireo solombavambahoaka, na ny lalàmpifidianana nampiasaina niatrehana ny fifidianana 2013 no enti-mitraika ny fifidianana amin’ity taona ity. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ny fanambaran’ny UNRRM na ny union nationale pour la refondation et la reconstruction de Madagascar sy ny fikambanana tsy miankina iray. Ankilany ihany koa ny KMF CNOE manamafy ny fitakiana fifidianana eken’ny rehetra.