FIFIDIANANA 2023 : mampanahy ny hahatontosany hoy ny Solombavambahoakan’i Taolagnaro

0

Mampanahy ny hahatontosan’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity hoy ny Solombavambahoaka IRD voafidy tao Taolagnaro. Hatreto, tsy mbola hita taratra ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hiroso amin’izay fifidianana izay, volana vitsy mialohan’ny tokony hametrahan’ny filoha fialana raha tokony hotanterahina ny volana novambra izao ny fifidianana fihodinana voalohany.