Fifidianana ben’ny tanàna : andrasana ny 28 jolay ny didim-pitondrana miantso ny mpifidy

0

Ny faha-28 ny volana jolay ho avy izao farafahatarany no tokony hivoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato raha tazonina ny faha-28 oktobra natolotry ny CENI hanatanterahana ny fifidianana. Hitarika fahabangan-toerana amin’ny fitantanana ny kaominina manerana ny nosy ny fitarazohan’ny fanomanana raha tsy misy fandraisan’andraikitra.