Accueil Politique Fifidianana filohan’ny CENI : ahiana ho nisy tsindry ara-politika hoy ny KMF Cnoe

Fifidianana filohan’ny CENI : ahiana ho nisy tsindry ara-politika hoy ny KMF Cnoe

0
Fifidianana filohan’ny CENI : ahiana ho nisy tsindry ara-politika hoy ny KMF Cnoe

Ahiana ho nisy tsindry ny fifidianana izay ho filohan’ny CENI notanterhina ny Alatsinainy lasateo hoy ny filoha nasionalin’ny KFM Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena. Mampitombo  sy miteraka ahiahy eo anivon’ny mpiantsehatra ara-pifidianana sy ara-politika ny naha voafidy ny olona notendren’ny filohampirenena hitantana ny rafitra mpikirakira ny fifidianana ity. Ankoatra io, takian’ny Vnoe ihany koa ny fanaovazana ifotony ny lisi-pifidianana amin’izao fotoan’ny RALE izao.