Fifidianana loholona : nifarana androany ny lisitr’ireo mpifidy vaventy

0

Nifarana androany ny lisitr’ireo mpifidy vaventy hanatanteraka ny fifidiana loholona ny faha 11 ny volana desambra izao. Araka izany tsy hanan-kery intsony ireo didim-pitsarana avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana sy ny fitsarana ambony, mikasika ny fanovana ny lisim-pifidianana aorian’ny androany. Hivoaka manomboka rahampitso eny anivon’ireo distrika manerana ny Nosy ny lisitry ny mpifidy vaventy raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI.