Fifidianana solontena eny amin’ny CENI : nihemotra amin’ny fotoana manaraka

0

Nahemotra amin’ny fotoana manaraka izay tsy mbola voafaritra ny fifidianana izay ho solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny CENI izay saika hotontosaina androany teny amin’ny CCI Ivato. Nohon’ny fangatahan’ny vondrona parlemantera IRD sy ny GPR ka nandraisan’ireo Solombavambahoaka fanapahan-kevitra no anton’ny fihemorana.