Fifohana sigara : olona 7 tapitrisa isan-taona no maty

0

Olona 7 tapitrisa isan -taona no maty manerantany vokatry ny fifohana sigara. Raha ny eto Madagasikara, mihabetsaka ireo tanora mifoka sigara. 31 Mai : andro manerantany tsy hifohana sigara sy tsy hihinana paraky na ny journée mondiale sans tabac. Ho amin’ity taona ity, ny fiarovana ny tanora amin’ny paikadin’ny indostria mpamokatra sigara. Izay no lohahevitra entina manamarika izany.