Fihaonan’ny Solombavambahoaka sy ny Governemanta : fombafomba sisa

0

Nanomboka omaly atoandro ny andro voalohany eo amin’ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. Tsy nisy ora iray ny famelabelaran’ny governemanta ny asa vitany. Fombafomba sisa ny hanaovana ny fihaonana raha ny fahitan’ireo solombavambahoaka avy amin’ny mpanohitra.