Fijerena horonantsary amin’ny « Salles de cinéma » : nihena ny fitiavan’ny Malagasy izany

0

Nihena hatramin’ny 90% oharina ny tany aloha ny fankafizan’ny Malagasy mijery Cinema amin’ireny toerana natokana amin’izany ireny. Isany antony ny fahavitsian’izany sy ny sarany ambony. Maro amin’ny salle de cinema fahiny no efa niova tsy ho izany intsony tato anatin’ny taona maro, tahaky ny Cinema Rex sy Ritz. Ireto farany izay saika ny mpitondra fivavahana no manofa azy ankehitriny.