Fikirakirana voka-pifidianana : efa mamarana ny eo anivon’ny CENI

0

Androany no tapitra ny 5 andro hikirakiran’ny SRMV ny voka-pifidianana kaominaly, efa tonga eny anivon’ny CENI Alarobia avokoa ny ankamaroan’ireo PV ankehitriny, andrasana anio alina kosa ny ambiny rehetra. Kandidà iray ihany hatreto no nangataka ny fampitahana ny vokatra, raha ny fanazavan’ny CENI androany.