Filankevitry ny minisitra : masoivoho 4 no voatendry

0

Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra izay natao omaly Alakamisy ny fanendrena ireo masoivoho hisolo tena an’i Madagasikara any ivelany. Teo ihany koa ny fanendrena vonjimaika ny praiminisitra ho eo amin’ny toeran’ny minisitry ny raharaham-bahiny. Teo ihany koa ireo fanendrena tomponandraiki-panjakana maro samihafa sy ny fanafoanana didy.