Filoha Andry RAJOELINA : voafidy ho tompondakan’ny fanabeazana ara-batana aty Afrika

0

Nofidin’ireo minisitry ny fanatanjahantena miisa 18 aty Afrika ho tompondakan’ny fanabeazana ara-batana sy ho mpitarika ny drafitrasa « Kazan » ny filohampirenena Andry Rajoelina nandritra ny fivoriana rezionalin’ireo minisitra afrikanin’ny fanatanjahantena. Vonona ho kapiteny, ho filamatra sy hitarika amin’ny fampandrosoana an’i Afrika ny filoha raha ny nambarany.