Filoha RAJOELINA Andry : nitsidika ny fonjan’Antanimora

0

Nitsidika ny fonjan’Antanimora androany ny Filoha RAJOELINA Andry. Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Filohampirenena nitsidika ny fonjan’Antanimora. Fihetsika izay manaporofo ny fanajàna ny zon’olombelona eto Madagasikara. Nisy ny fanomezana famotsoran-keloka gadra miisa 6 androany nataon’ny Filohampirenena.