Accueil Politique Filohan’ny CENI : tsy nisy ny fikasana hanao hosoka nandritra ny fifidianana ny taona 2018

Filohan’ny CENI : tsy nisy ny fikasana hanao hosoka nandritra ny fifidianana ny taona 2018

0
Filohan’ny CENI : tsy nisy ny fikasana hanao hosoka nandritra ny fifidianana ny taona 2018

Tsy nisy ny fampiasana hosoka niainga avy amin’ny laharana karapanondro sy anarana miverimberina niteraka resabe nandritra ny fifidianana ny taona 2018, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny CENI vaovao. Na izany na tsy izany, maro ny tsy fahatomombanana tamin’ny fandikana ny mombamomba ny olompirenena anaty ny lisi-pifidianana araka ny antontan-kevitra voarain’ny filohan’ny CENI vaovao nandritra ny famindram-pahefana androany.