Filohan’ny ligy 15 : mangataka fivoriam-be eo anivon’ny FMF

0

Hampiakatra ny raharaha any amin’ny FIFA ireo filohan’ny  ligy nanao sonia fangatahana hisiana fivoriam-be eo anivon’ny FMF , raha toa ka tsy mivaly ao anatin’ny 7 andro  izany. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo nanaomboka ny taona 2019 hatramin’izao no tsy mbola nisy fivoriam-be teo anivon’ny FMF.