Filohan’ny Repoblika Malagasy : nandray Ambasadaoro miisa 3

0

Nandray ny ambasadaoron’i Pakistan, Frantsa ary Allemagne nitondra ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon’ireo firenena ireo eto Madagasikara androany maraina teny amin’ny Laàpam-panjakana Iavolha ny Filohan’ny Repoblika Malagasy RAJOELINA Andry. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fiverenan’ny fahatokisan’ireo firenen-dehibe ny politikam-pampandrosoana tanterahin’ny fitondrana Malagasy ankehitriny.