Filohan’ny Repoblika : namaha ny olan’ny famatsian-drano sy ny herinaratra tao Antsiranana

0

Nitondra vahaolana manoloana ny olan’ny famokarana herinatra sy ny famatsiandrano tao Antsiranana ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA nandritra ny fitsidihany tany antoerana omaly. Nambarany tamin’izany fa hatomboka ny fanamboarana Station de pompage. Nampahafantarin’ny filohan’ny Repoblika ihany koa ny PLAQUES SOLAIRES, izay haparitaka amin’ny sarany mirary manerana ireo fokontany any antoerana.