Filohan’ny VOI Mailo : mitaky ny hanasaziana ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana ny zanany

0

Andian’olona avy any amin’ny fokontany Vohitsarahasina distrikanAndrahamasina no namono nahafaty an’i tompokolahy Rakotoarisoa Henri filohan’ny VOI « MIALO  » avy ao Ankazondandy kaominina Mangarivotra (ex Beparasy) faritra Alaotra Mangoro tamin’ny faran’ny herinandro iny. Raha ny fitantaran’ny zanany, nofandrihina ity lehilahy 70 taona ity ary nitarika ny famonoana azy. Mitaky ny hanasaziana ireo nahavanon-doza ankilany ny fianakaviana niharam-boina.