Accueil Société Firaisamonim-pirenena : mitaky ny politikam-panjakana momba ny harena an-kibon’ny tany

Firaisamonim-pirenena : mitaky ny politikam-panjakana momba ny harena an-kibon’ny tany

0
Firaisamonim-pirenena : mitaky ny politikam-panjakana momba ny harena an-kibon’ny tany

Tsy maintsy mahazo ny fankatoavana avy amin’ny vahoaka eny ifotony ireo orinasa mialohan’ny hitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany hoy ny vondron’ny firaisamonim-pirenena androany. Takian’izy ireo ihany koa ny famoahan’ny fanjakana ny politika momba ny ity sehatra ity nandritra ny famaranana ny atrikasa famolavolana ny code minier.