Fitantanan-draharaham-panjakana : lesona ho an’ny mpitondra

0

Fanapahankevitra feno fahendrena ny fametrampialan’ny filoha zimbaboeana Mugabe izay nijery ny tombontsoa ambonin’ny fireneny hoy ny filoha nasionalin’ny Antoko MMM Hajo Andrianainarivelo. Tokony hahatsapa izany ny fitondrampanjakana malagasy ankehitriny. Fihainoana ny vahoaka sy fiovana famindra ataon’ny mpitondra kosa no takiana eto amin’ny firenena hisorohana ny krizy sy ny fipoahana ara-tsosialy mety hitranga, raha ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana.