Fitantanana ny firenena: mikorontana ny mpitondra.

0

Tahaka ny zava-misy eo anivon’ny antoko HVM, miha mibaribary ny savoritaka misy eto amin’ny firenena. Hafa ny fanehoan-kevitra entin’ny filoha lefitry ny antoko HVM izay sady loholona ihany koa. Hafa tahaka izany ihany koa ny fanapahan-kevitra raisin’ny prefektioran’ny polisy izay mandray baiko amin’ny praiminisitra. Na ny fanapahan-kevitra raisina, na ny asa atao, mifanipaka tsy hita ny lojika ao anatiny raha ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao.