Fitsaram-bahoaka: mila ajoro ny dinam-pokonolona.

0

Tsy vitan’ny vava ny fanafoanana ny fitsaram-bahoaka, izay miteraka voka-dratsy hafa eo amin’ny fiainan’ny firenena. Mila hajoro ny dinam-pakonolona ahafoana izany, mila fongorina ihany koa ny fototra toy ny kolikoly sy tsy filaminana eto amin’ny firenena. Izay no nivoitra nandritra ny famelabelaran-kevitra mikasika ny fitsaram-bahoaka notontosaina teny Faravohitra nandraisan’ny mpisehatra samihafa anjara.