Fivadibadihana antoko politika : Miteraka voka-dratsy eo amin’ny fiainam-pirenena.

0

Tsy azo ekena ny fivadibadihana antoko izay miteraka voka-dratsy eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny sehatry ny fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga na misy aza ireo mandika vilana ny lalàna hanaovana izany fivadihana palitao izany. Ny fanajana ny lalàmpanorenana ihany no vahaolana manoloana izany raha ny fanazavana.