Fivoriam-ben’ny ONUDI: nisitraka 35 tapitrisa dolara i Madagasikara

0

Nanantontosa  fanaovan-tsonia famatsiana mitentina 35 tapitrisa dolara, entina hampandrosoana ny Indostria i Madagasikara, nandritry ny andiany faha-18 ny fivoriamben’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny indostria tontosaina any Abu Dhabi. Namafisin’ny Filohampirenena Malagasy nandritra io fa tsy maintsy miainga amin’ny Indostria ny fampandrosoana an’i Madagasikara.