Fivoriana ara-potoana faharoa Antenimiera : Nosokofana omaly

0

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tolakandro ny fivoriana faha-2 ny Antenimierampirenena. Manga ny lanitra eo amin’ny Fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna raha ny kabary nataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena nandritra io fanokafana io. Maro ny ezaka vitan’ny governemanta. Tsy hitan’izy ireo ny fahantran’ny vahoaka sy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ary ny fihanaky ny valan’aretina pesta.