Fizaran’ny filohampirenena kits scolaire : fanambaniana ny Malagasy

0

Fandikan-dalàna sy kajikajy politika amin’ny fifidianana manaraka ny fizaran’ny filohampirenena « kits scolaires » ho an’ny mpianatra omaly teny amin’ny « Coliséum » raha ny nambaran’ ny mpandinika ny fiainam-pirenena nanaovana fandihadiana. Tsy mendrika ho an’ny Malagasy ny fitserana. Vahaolana maharitra no ilaina fa tsy vonjy tavan’andro.