FJKM ao anaty Rova : ahitana fahasimbana ny tilikambon’ny fiangonana ary ahiana hiitatra

0

Ahitana fahasimbana ny tilikambon’ny Fiangonana FJKM ao anatin’ny Rovan’i Manjakamiadana ao amin’izao fotoana izao, saingy tsy mbola misy ny fanarenana nataon’ny tompon’andraikitra voakasika raha ny nambaran’ireo mpitaridia eny an-toerana. Nilatsaham-potaka iray volana lasa izay ity fiangonana ity ary ahiana ny hitaran’ny fahasimbana raha ny fanazavana.