FMI : « Ilaina ny fanatsarana ny fampidiram-bolam-panjakana »

0

Taorian’ny famaranana ny fampindramam-bola nomen’ny tahirim-bola iraisam-pirenena an’i Madagasikara, nahomby ny fiaraha-miasa raha ny fanazavan’ny solontena maharitry ny FMI eto Madagasikara androany. Teboka maromaro anefa no mbola mila fanatsarana, isan’izany ny fampitomboana ny fampidiram-bolam-panjakana.