Accueil Société Foloalindahy : miroso ny fanavaozana ny rafitra hametrahana ny fandriampahalemana

Foloalindahy : miroso ny fanavaozana ny rafitra hametrahana ny fandriampahalemana

0
Foloalindahy : miroso ny fanavaozana ny rafitra hametrahana ny fandriampahalemana

Miroso ny fanavaozana ny rafitra isan-tokony eo anivon’ny foloalindahy malagasy. Isany tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny fametrahana ny ZONE DE DEFENSE ET SECURITE, hanamafisana ny fandriampahalemana. Isany fanatevenana ny fianakaviamben’ny foloalindahy ihany koa ny fiantsoana ny vehivay hitsara miaramila hoy minisitry ny fiarovam-pirenena, nandritra ny lalonana nanomezam-boninahitra jeneraly 51 andeha hisitro ronono.