Fomba fiasan’ny Solombavambahoaka : mampametra-panontaniana ny maro

0

Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny fomba fihetsik’ireo Solombavambahoaka androany ny amin’ny fanemorana ny fananganana ilay kaomisionina manokana handinika ireo antontan-taratasy hanenjehana ireo olona ambony teto amin’ny firenena, izay voarohirohy tamina kolikoly sy tsy fanarahan-dalàna. Tsy fantatra mazava ny anton’ity fanapahan-kevitra noraisin’ireo maro an’isa androany ity.