Fotoam-pivavahana – Gare Soarano : tonga maro ny vahoaka manohana an’ny kandidà Andry RAJOELINA

0

Iray andro mialohan’ny fampielezan-kevitra, nanantanteraka fotoam-pivavahana teny amin’ny Gare Soarano androany ny Mapar sy ireo manohana ny kandidà Andry Rajoelina. Nitondrana am-bavaka ny firenena sy ny fifidianana ho hatrehiny ity fotoam-pivavahana ity. Niantso ny Malagasy rehetra izay nisoratra anarana hanao ny adidiny hifidy ny kandidà laharana faha 13, Andry Rajoelina nandritry ny fandraisam-pitenenany.