Frantsa sy Madagasikara : hiamafy ny fiaraha-miasa

0

Niompana tamin’ny fanamafisam-piarahamiasan’i Frantsa sy Madagasikara ny kabarin’ny masoivoho frantsay androany, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay. Nambaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny ankilany fa hotanterahana eto Antananarivo ny fihaonan’ireo komity iraisana voalohany, hiresahana ny momban’ireo Iles Eparses.