Governemanta NTSAY Christian : miroso ny ezaka ho fanatanterahana ny Velirano

0

Niompana tamin’ny teboka efatra lehibe toy ny fiatrehana ny covid-19, ny fitantanana ny firenena, ny fandriampahalemana, ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny lafiny ara-tsosialy ny tatitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta teo anatrehan’ireo Loholon’i Madagasikara tetsy nosikely androany. Efa misy ireo ezaka efa vita ary mbola maro ny asa miandry raha ny nambaran’ny Praiminisitra.