« Guichet Unique des Marchés Publics » : hanafainganana ny fitantanan-draharaham-panjakana

0

50%n’ny tsenam-barom-panjakana no nahitana tsy fahatomombanana ny taona 2016 sy 2017. Ela ihany koa ny fikirakirana ny antontan-taratasy. Taorian’ny baiko nomen’ny filohan’ny repoblika amin’ny fanafainganana sy fanovana ny fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharam-panjakana, napetraka androany ny guichet unique des marches publics etsy Antsahavola. Ny minisiteran’ny asa vaventy no hanombohana ny andrana ary manomboka eo dia ao anatin’ny 24 ora no hivaly ny fikirakirana taratasy.