Hapetraka ny paikady momba ny arolozan’ny fifamoivoizana

0

Olona 28 amin’ny mponina 1 hetsy no maty eto Madagasikara vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Ny tsy fitovian’ny fampitana ny fampianarana eny amin’ireo auto école no mamaritra ny ampahany betsaka amin’ny anton’ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Nisy io maraina io atrikasa nentina namaranana sy nandaniana ny paikady nasionaly momba ny arolozan’ny fifamoivoizana ao anatin’ny 10 taona eto Madagasikara.