Harena an-kibon’ny tany : hampiakarina ny tamberim-bidy efain’ny orinasa

0

Hampiakarina ny tamberim-bidy efain’ireo orinasa vaventy mitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Ny taha 02% hampiharina eto amintsika ankehitriny izay ambany indrindra maneran-tany ka vinaina hampiakarina hatramin’ny 08%.