HCC : mitombo hatrany ny lalàna tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana

0

Misy andinin-dalàna tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana ihany koa ny lalàna momba ny fivoaran’ny indostria eto Madagasikara raha ny fanapahankevitra navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Tokony ho lalàna no hifehy ny rafitra manokana ANDI apetrak’io lalàna momba ny indostria io fa tsy fitsipika anatiny. Endrika fanitsahana ny lalampanorenana hafa indray io nataon’ny governemanta io tamin’ny alalan’ny ministeran’ny indostria.