HCC

Hanolotra tolo-dalàna hanatsarana ny fomba fiasany ny AMMM

0

Nanapa-kevitra ny birao politikan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga fa hanolotra tolo-dalàna hanatsarana ny fomba fiasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, manoloana ny tsy fanarahan-dalàna maro ataon’ny mpitondra. Amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka no hatolotra izany mba tsy hanaonao foana intsony ny mpitondra amin’ny ho avy raha ny nambaran’i Hajo Andrianainarivelo.