i-Toroka : nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany

0

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity androany ity ny « i-toroka », izay fomba iray ahafahan’ny olona rehetra mitondra ny trangana kolikoly na fanaparem-pahefana hitany eo anivon’ny Bianco amin’ny alalan’ny aterineto. Tsy misy ahafantaran’izay olona mitoroka ny trangana kolikoly hitany amin’ity i-toroka ity, izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.