« Immunité Parlementaire » : tsy fiarovana ireo nandika lalàna

0

Toa zary fitaovana ialonkalofan’ireo parlementera sasany ankehitriny ny fananan’izy ireo ny Immunité Parlementaire. Tokony enjehina avy hatrany izy ireo raha toa ka misy porofo mazava ny fahadisoana nataony, raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana tsy hisian’ny tsy maty manota ary ho eo ambanin’ny lalàna avokoa ny olompirenena rehetra.