INDDL : tsy ampy ny hoenti-manana hampiofanana ireo Ben’ny tanàna

0

Tsy ampy ny hoenti-manan’ny INDDL, izay ivon-toerana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny atitany mampiofana ireo rafitra itsinjaram-pahefana. Ankoatra io, vitsy ihany koa ny isan’ny mpampiofana oharina amin’ny isan’ny Kaominina eto Madagasikara. Antony mahatonga ny fandikan-dalàna ataon’ny Ben’ny tanàna sasany izay mitarika fampidirana am-ponja amin’izao fotoana.