Indostria eto Madagasikara : azo tratrarina ny tanjona

0

Tsara ny vokatra andrasan’ireo mpisehatra amin’ny indostria eto Madagasikara ato anatin’ny volana vitsy araka ny tatitra tamin’ny alalan’ny Baromètre de l’industrialisation de Madagascar andiany faha-3 navoakan’ny Alliance pour l’industrialisation durable androany. Mifandray amin’ny fampivoarana ny indostria ny politikam-panjakana raha ny fanazavana. Teboka maro ankilany no mbola tokony ho jerena ahafahana manatratra ny tanjona.